Faritra ATSIMO ANDREFANA | Distrika SAKARAHA Tetikasa HARATON’AINA – Vatsin’Ankohonana
07.04.2022
Faritra ATSIMO ANDREFANA | Distrika SAKARAHA
Tetikasa HARATON’AINA – Vatsin’Ankohonana
Tafiditra amin’ireo distrika ao amin’ny Faritra atsimo andrefana misitraka ny tetikasa haraton’aina Sakaraha.
Tokantrano miisa 6.000 no hisitraka ny tetikasa fiahiana ara-tsosialy ao amin’ny fatitra Atsimo Andrefana. 1.197 tokantrano ao amin’ireo fokontany 8 ao amin’ny kaominina Vineta , distrikan’i Sakaraha kosa no nisantarana ny Vatsin’ankohonana.
Ny Vatsin’ankohonana dia fandaharan’asa anatin’ny tetikasa Haraton’aina, ahafahan’ireo ankohonana tena marefo ara-pivelomana misitraka tohana ara-bola isaky ny 2 volana mandritry ny 3 taona.
Tanjon’ity tetikasa ity ny hanatsarana ny fari-piainan’ny isan-tokantrano eo amin’ny lafiny fampianarana, fahasalamana sy ny tsy fanjarian-tsakafo.
Maro ireo vokatra azo tsapain-tanana nandritry ny fisian’ity tetik’asa ity satria dia nanova ny fari-piainan’ny isan-tokantrano, maro ireo lasa nahay namaky teny sy manoratra, nirindra ihany koa fiterahana, lasa nanana fahaiza- manao isan- kararazany toy ny mamboly , miompy ary nahazoan’izy ireo traikefa marobe.
Ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola, ny fandrindrana sy ny fizohiana ary ny tomban’ezaka kosa dia sahanin’ny Ministeran’ny Mponina ary ny FID no manatanteraka izany eny ifotony. Tsy adino ihany koa ireo Minisitera isan- tsokajiny izay nanatevin- daharana sy nanampy ka nampahomby ny tetikasa.
Olo-manan-kaja sy manam-pahefana maro no nanome voninahitra ny lanonam-panokafana tany an-toerana ary nisolo tena ny Minisitry ny mponina SOAFILIRA Princia ny Fitaleavam-paritry ny Mponina Atsimo Andrefana.