FARITRA ATSIMO ANDREFANA MIARA-PALY AMIN’NY MPONINA AO AMPANIHY IZAY TANÀNA NAHABE AZY NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Nandritry 02 andro nijanonany tao Ampanihy dia maro ireo hetsika notanterahin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia niaraka tamin’ny mponina tao an-toerana.
Rehefa tontosa ny fanombohana ny fandaharan’asa Tosike Vonjy Aigne sy ny fihaonana tamin’ireo tomponandraikitra isan’ambaratongany dia niara-nifety tamin’ireo olona maro tsy ankanavaka izy. Nandritra izany no nankaherezany ireo Viavy Miavotse, ireo Olon-kendry, ireo tanora ao amin’ny fikambanana TAFA ary ireo olona manana fahasembanana.
Maro tamin’ireo olobe nandray fitenenana no nampahatsiahy ny fahazazan’ny Ramatoa Minisitra izay reharehan’izy ireo ankehitriny.