FARITRA ATSIMO ANDREFANA | NAMANGY IREO TRA-BOINA NY MINISITRY NY MPONINA
Maro ireo fotodrafitr’asa simba vokatry ny fandalovan’ny rivo-doza Jasmine tao Toliara. Betsaka ireo fianakaviana tsy manan-kialofana ary nisy ihany koa ny namoy ny ainy tamin’izany.
Tonga tany an-toerana nisolo tena ny fitondram-panjakana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana nijery ifotony ireo fahavoazana ka nitondra fanampiana ho an’ireo traboina sy nankahery ireo mana-manjo.