FARITRA ATSIMO ANDREFANA TOKATRANO MIISA 17 487 NO MISITRAKA NY TOSIKE VONJY AIGNE AO AMPANIHY
18.11.2022
Tokatrano marefo ara-pivelomana ao amin’ny distrikan’Ampanihy sy Betioky Atsimo no misitraka ny Toseke Vonjy Aigne. Ity fandaharanasam-panjakana ity no entina hanoanana ireo tokatrano tena marefo any amin’ireo faritra atsimon’ny Nosy entiny miatrika ny haitany. Amin’ny alalan’ny tosika ara-bola sitrahana mandritry ny enim-bolana sy arahina fampiofanana momba ny fikarakarana ny toe-pahasalamana, ny fahadiovana, ny fanjarian-tsakafo, ny fampianarana mamaky teny sy manoratra ary ny fitantanana sy ny fampivoarana ny maha olona.
Nanome voninahitra ny fotoana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia notronin’ireo ireo olom-boafidy ao anatin’ny Distrika Ampanihy sy ireo Tomponandraikitra sivily sy miaramila ary ny Tale jeneralin’ny BNGRC.
Ny Ministeran’ny Mponina sy ny BNGRC no mandrindra ity fandaharan’asa ity ary ny FID no manatanteraka azy eny ifotony ary Banky iraisam-pirenena no manohana ara-bola.