Faritra Atsimo Atsinanana| Distrika Farafangana
Faritra Atsimo Atsinanana| Distrika Farafangana
FITERAHANA MIRINDRA, FIANAKAVIANA SAMBATRA, FIRENENA MANDROSO.
Notanterahina tao Farafangana ny fampiofanana ireo fikambanana hanentana mahakasika ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana izay nokarakarain’ny Ministeran’ny Mponina niaraka tamin’ny Fikambanana Tanora mijoro hoan’ny Madagasikara(TMM).
Tafatsangana tamin’izany ny vovonan’ny Vehivavy Miavotse, ny Fikambanan’ny Lehilahy mandray andraikitra ary ny Fikambanan’ny olon-kendry.
Tonga nanome voninahitra ity fampiofanana ity ireo manam-pahefana tao amin’ny faritra Atsimo Atsinanana.