Faritra Atsimo Atsinanana | Distrika Farafangana
Faritra Atsimo Atsinanana | Distrika Farafangana
Vokatry ny fiaraha-miasa teo amin’ny fikambanana GIDEM (Groupement d’Intellectuels pour le Developpement de Madagascar) sy ny Fitaleavam-paritry ny Mponina Atsimo Atsinanana dia nisitraka fitaovam-pitsaboana maro toy ny fandriana, « chaise roulante » sy fitaovam-pitsaboana ary fanafody ny CSB II ao Marovato II, kaominina ambanivohitra Tsiately ao amin’ny Distrikan’i Vangaindrano.
Nanolotra izany niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Mponina any an-toerana ny Filoha mpanorina ny fikambanana Ramatoa Giroux Lalaonirina Phillipine .
Faly ireo mponina tany an-toerana amin’ny fisian’ny fanampiana toy itony ary mbola hitohy any amin’ireo kaominina hafa ny fizarana ireto fitaovana ireto.