FARITRA ATSIMO ATSINANANA | DISTRIKA FARAFANGANA
FARITRA ATSIMO ATSINANANA | DISTRIKA FARAFANGANA
Anisan’ny Faritra nahazo ny filazana loza manambana ny Faritra Atsimo Atsinanana amin’ny rivo-doza Batsirai.Tonga tao an-toerana ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Andriamatoa NTSAY Christian sy ireo delegasiona niaraka taminy nametraka ny lamina sy ny paik’ady rehetra amin’ny fiatrehana ny fahatongavan’ny andro ratsy.
Nalefa tany amin’ny faritra avo avokoa ireo olona monina eny amin’ny faritra iva sy amoron-dranomasina ho fiarovana azy ireo sy ny fananany ary
notolorana fanampiana ara-tsakafo sy ara-pitaovana izy ireo hahafahany miatrika ny andro ratsy.
Ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin-dRamatoa Minisitra SOAFILIRA Princia sy ny BNGRC no mikarakara sy mandrindra ny fizarana ny sakafon’izy ireo mandritra ny fotoana hipetrahany ao amin’ireo toerana efa voatokana ho amin’izany.