FARITRA ATSIMO ATSINANANA | FIAHIANA SOSIALY AMIN’NY ALALAN’NY ASA ATAKALO VOLA
FARITRA ATSIMO ATSINANANA | FIAHIANA SOSIALY AMIN’NY ALALAN’NY ASA ATAKALO VOLA
Tokantrano miisa 6.487 ao amin’ny kaominina Akarana, Fenoarivo, Efatsy, Ihorombe sy Ambohimandroso no misitraka Asa Tagnamaro amin’ny alalan’ny fanamboaran-dalana. Ho tanterahina mandritry ny 30 andro ny asa izay mirefy 49km.
Ny tetik’asa WFF-AFAFI SUD Atsimo Atsinanana no mamatsy vola, ny Minisiteran’ny Mponina no mandrindra eny ifotony amin’ny alalan’ny Asa Atakalo Vola na ACT. Tanjona ny hanampiana ireo tokantrano tena marefo amin’izao vanim-potoanan’ny mosary izao no sady fanatsarana ny lalana mampifandray ireo kaominina 5 any an-toerana.
TSY MISY NA OLONA NA DISTRIKA HO ADINO INTSONY.