FARITRA ATSIMO ATSINANANA HAITRANO TAO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHAFASA TONGA NAMPAHERY IREO MPONINA TRABOINA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
25.10.2022
FARITRA ATSIMO ATSINANANA
HAITRANO TAO AMIN’NY KAOMININA AMBANIVOHITRA MAHAFASA
TONGA NAMPAHERY IREO MPONINA TRABOINA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Miisa 131 ireo fianakaviana traboina vokatry ny haitrano nitranga tao amin’ny kaominina ambanivohitra Mahafasa Afovoany, distrikan’i Farafangana, faritra Atsimo Atsinanana.
Manoloana izany dia nanolotra tohana ara-tsakafo sy lay misy ody moka ho azy ireo ny fitondra-panjakana izay tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia no nanatanteraka ny fizarana izany tao an-toerana. Nanentana ny mponina hitandrina hatrany amin’ny fihanakin’ny afo izy ary nanolotra lelavola ireo Ray aman-dreny Ampanjaka, ireo fikambanam-behivavy ary ny Mponina ao an-toerana.
Efa impito amin’izao no nidinan’ny Minisitry ny Mponina tao an-toerana ka naneo ny haravoany ireo olona maro tonga nanotrona azy.
Niara-nampahery ireo mponina tra-boina, ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrika’i Farafangana, ny Governoran’ny Faritra Atsimo Atsinanana ary ireo manam-pahefana maro sivily sy miaramila.