FARITRA ATSIMO ATSINANANA VONJY VOINA HO AN’NY MPONINA AO EVATO
16.11.2022
Manoloana ny trangana haitrano ny 09 novambra 2022 tao amin’ny fokontany Evato Centre dia efa tonga any an-toerana ny tolo-tanana avy amin’ny fitondram-panjakana.
Tokatrana miisa 331 ahitana olona 1 464 no nisitraka tohana ara-pitaovana sy ara-tsakafo.
Nanatitra izany tany an-toerana ireo iraky ny Minisitra SOAFILIRA Princia, ny BNGRC, ny Governora sy ny Préfet ary ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana.
Ny Minisitra SOAFILIRA Princia dia mankahery hatrany ireo fiakaviana niaram-boina ary manentana ny Mponina manerana ny Nosy amin’ny fitandremana sy ny fisorohana ny voina toy ny haitrano.