FARITRA ATSINANANA | FAMARANANA NY IRAY VOLAN’NY ANKIZY
Tontoso tao amin’ny SOS Village d’Enfants Madagascar ny famaranana ny fankalazana ny Iray Volan’ny Ankizy.
Ny fankalazana no mifarana anio fa ny fanajana sy ny fampizakana ny zo ho an’ny ankizy dia mitohy mandavan-taona.
Tonga nanome voninahitra an’ireo ankizy ireo olom-boafidy sy olom-boatendry eto amin’ny Faritra Atsinanan’ny Nosy.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Tale Jeneralin’ny Mponina Andry RAKOTONDRAINIBE.
Natolotra ireo tomponandraikitry ny Akany tamin’ity andro ity ihany koa ny boky Lasitra fakan-tahaka ara-kalitao ho an’ny akany fandraisana an-tanana ny ankizy eto Madagasikara.