FARITRA ATSINANANA – FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY IVO TOERANA HO AN’IREO ZOKIOLONA SY IREO MANANA FAHASEMBANANA
FAMETRAHANA VATO FOTOTRY NY IVO TOERANA HO AN’IREO ZOKIOLONA SY IREO MANANA FAHASEMBANANA – FARITRA ATSINANANA
Isan’ny hisitraka ny Ivotoerana fandraisana ireo olona manana fahasembanana sy ireo zokiolona ny Faritra Atsinanana. Tonga nanome voninahitra ny lanonana fametrahana ny vato fototra ireo olo-manan-kaja sy ireo olom-boafidy tao Toamasina, ireo zokiolona sy ireo tra-pahasembanana izay hisitraka ny fotodrafitr’asa. Nanantanteraka joro ireo Zokiolona tao an-toerana ho fangatahana tsodrano amin’ny Zanahary sy ny Razana.Ny ivo toerana dia ahitana birao, efitrano fivoriana, efitrano famakiam-boky, efitrano fitsaboana, fanarenana, filalaovana ary fidiovana.
Ity fotodrafitr’asa ity dia tafiditra ao anatin’ny foto-drafitrasan’ny Filohampirenena izay tanterahin’ny Ministeran’ny Mponina, ny Fiahiana Sosialy ary Fampivoarana ny Vehivavy.