Faritra ATSINANANA | TOAMASINA ADY AMIN’NY HERISETRA
28.03.2022
Faritra ATSINANANA | TOAMASINA
ADY AMIN’NY HERISETRA
Notokanana tao Toamasina ny foto-drafitr’asa sy fanolorana fitaovana ho an’ny ivon-toerana natokana hiadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na ny maha vavy (Violence Basée sur le Genre – VBG).
Ity fotodrafitr’asa ity dia ahitana:
Toerana fandraisana an-tanana ireo hianjadian’ny herisetra, « Centre de prise en charge intégrée » izay eo ambany fiahian’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Fiahiana ara-tsosialy
Ivon- toerana fihainoana « centre d’écoute » ho an’ireo hianjadian’ny herisetra hoandraiketan’ny Zandarimariam-pirenena.
Nisy ihany koa ny fanolorana fiara ho an’ny Brigade Féminine de Proximité izay sampana tena isan’ny miady amin’ny herisetra indrindra amin’ireo ankizy sy vehivavy.
Nanome voninahitra ity lanonana fanokanana ofisialy ity Sekreteram-panjakana Miadidy ny Zandarimaria, ny solontenan’ny masoivoho Japone sy ny Solontenan’ny UNFPA miasa eto Madagasikara.Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Talem-paritry ny mponina ao amin’ny Faritra Atsinanana,
Hisaorana ny UNFPA sy ny firenena Japone, angady nananana sy vy nahitana ity fotodrafitr’asa narahana fampitaovana ity.