Faritra BOENY Ady amin’ny Herisetra mianjady amin’ny ankizy
Notontosaina tao amin’ny Fitaleavam-
paritry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy Boeny ny fivoriana niarahan’ireo mpikambana anatin’ny tambazotra fiarovana ny ankizy na RPE « Réseau de Protection de l’ Enfant » ao amin’ity faritra ity.
Novelabelarina tamin’izany ny salan’isa voray tamin’ireo trangana herisetra isan-tsokajiny voaray ny telo volana faha telo nandritr’ity taona 2022 ity.Nisy ihany koa ady hevitra sy fanamarihana narahina fanontaniana sy valiny mahakasika io antontan’ isa io.
Tapaka nandritra izany ary fa hisy ny drafitr’asa hatao ho an’ny taona 2023 ho an’ireo rantsana aman-gaika tsirairay ho fanatsarana ny andraikitry ny tsirairay sy fanarenana ireo lesoka.
Nanotrona ity fivoriana ity avokoa ireo mpisehatra amin’ ny Ankizy sy ireo mpikambana anatin’ny RPE tao amin’ny faritra Boeny.