Faritra BOENY | Distrika Mahajanga II
Ho fanamafisana ny hetsika amin’ny ady amin’ ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy mahavavy dia nanatanteraka atrik’asa izay notanterahina tao amin’ny biraon’ny Sampan-draharahan’ny Mponina ao Mahajanga II ny Fitaleavam-paritry ny Mponina, ny Fiahiana ara-Tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ao amin’ny faritra Boeny.
Nandray mavitrika tamin’ izany ireo tompon’ andraikim-panjakana isan-tsokajiny izay nahitana ny lehiben’ny distrika Mahajanga II, ireo Ben’ny tanàna sy ireo Sefo Fokontany.
Fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny UNFPA no nahafahana nanatanteraka ity hetsika ity.