Faritra Boeny | Distrika Mahajanga
Nitsidika ny Fitaleavam-paritry ny Mponina tao Boeny ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisiteran’ny Mponina, Andriamatoa Yan Wilfried RAMANANIRINA.
Nisy ny fihaonany tamin’ireo fikambanana rehetra misy any an-toerana sy namelabelarany ny adidy sy andraikitry ny Minisitera manoloana ny vahoaka. Nohazavainy ihany koa ny antony nananganana ireo vovonan’ny Viavy Miavotse, Lehilahy mandray andraikitra ary Olonkendry sy ny komitim-behivavin’ny 8 martsa ao Mahajanga.
Taorian’ny famelabelarana dia maro ireo fanontaniana narahina valiny ka afapo ireo fikambanana izay tonga namaly ny antso.
Namaranana ny fotoana dia nohamafisin’ny Talen’ny kabinetra ny hampiasana sy hanajana ireny foto-drafitr’asa izay napetraky ny fanjakana ireny ary namporisika izy ahasahy hitoroka raha mahatsikaritra na mahita trangana herisetra.