Faritra BOENY FANDAHARAN’ASA MAHAKASIKA NY FANDRINDRAM-PITERAHANA
Faritra BOENY
FANDAHARAN’ASA MAHAKASIKA NY FANDRINDRAM-PITERAHANA
Fanofanana ho fananganana sy fandrindrana ny tetikasa, haitarika ary serasera amin’ny fanentanana ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana.
Mpitarika fikambanana miisa 70 ato amin’ny Faritra Boeny no nisitraka ny fiofanana mandritra ny 2 andro mahakasika ny fananganana sy fandrindrana tetikasa, haitarika ary serasera amin’ny fanentanana ny fiainam-pianakaviana.
Ny Ministeran’ny mponina izay tarihin- dRamatoa SOAFILIRA Princia dia miroso hatrany hanatratrarana ny tanjon’ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana eto Madagasikara. Tanjona dia ho 60% ny mponina no hampiasa ny fanabeazana aizana amin’ny taona 2023. Natsangana tamin’izany ny « Plateforme Régional » amin’ny Faritra 23 misy « VAIAVY MIAVOTSE », » LEHILAHY MANDRAY ANDRAIKITRA » ary « OLON-KENDRY » izay miara- miasa amin’ny Minisiteran’ny mponina eo amin’ny serasera fanentanana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana.
» FITERAHANA MIRINDRA, FIANAKAVIANA SAMBATRA, FIRENENA MANDROSO »