FARITRA BOENY: FIKAONANDOHAN’IREO MPIKAMBANA AO AMIN’NY GOVERNEMANTA SY NY SOLOMBAVAMBAHOAKA
Ao Mahajanga ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta sy ireo Solombavambahoaka no manatanteraka fikaonan-doha androany hahafahana manao tatitra ireo asa vita sy hifanome tanana ho fanatsarana ny fiaraha-miasa mba hipaka any amin’ny vahoaka ny fandrosoana.
Mitarika ny fotoana ny Praiminisitra NTSAY Christian notronin’ireo manam-pahefana maro tao an-toerana ka anisan’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Mandritry io fandalovana ao Mahajanga dia midina ifotony ihany koa ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA mijery sy mihaino ny hetahetan’ny vahoaka entina hampandrosoana.