FARITRA BOENY | HANAO TATITRA SY HIZARA NY VINAN’ASA MAHAKASIKA NY SOSIALIN’NY MPONINA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Tanterahina ao Mahajanga ny fihaonan’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta izay tarihin’ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ireo Solombavambahoaka.
Anisany mandray anjara amin’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Vehivavy anaty fikambanana maro ka anisan’izany ny Viavy Miavotse no tonga nitsena an’ireo delegasiona tao amin’ny seranam-piaramanidina.
Mandritra ity fikaonan-doha ity dia hanao tatitra ny asa vita sy ny vinan’asa entina hanatsarana ny sosialin’ny mponina manoloana ireo Solombavambahoaka ny Minisitry ny Mponina. Hanatanteraka tatitra sy hizara ny vinany ihany koa ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta.