FARITRA BOENY | NOTOKANAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NY BIRAON’NY SAMPANDRAHARAHAN’NY MPONINA AO MAHAJANGA II
22.07.2022
FARITRA BOENY | NOTOKANAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NY BIRAON’NY SAMPANDRAHARAHAN’NY MPONINA AO MAHAJANGA II
Nitokana fotodrafitr’asa lehibe maro tao Mahajanga, Faritra Boeny ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA ka anisan’izany ny biraon’ny sampandraharahan’ny Mponina ao Mahajanga II.
Nanotrona azy tamin’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpikambana maro ao anatin’ny Governemanta ary ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila. Tonga teny an-toerana ihany koa ireo fikambanana maro izay nahitana ny Viavy Miavotse.
Ny biraon’ny sampandraharahan’ny mponina ao amin’ny Kaominina Belobaka dia ahitana birao 3, toeram-pivoriana 1, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandraisana mpitsidika 1.
Nametraka lamina sy paikady ny Filoha entina hanatsarana hatrany ny asa sosialy eto anivon’ny Minisitera.