FARITRA BOENY TONGA NANKAHERY IREO MPONINA TRABOINA AO MAROVOAY SY ANKOBA NY FILOHA ANDRY RAJOELINA
02.02.2023
Anisan’ny nitondra takaitra taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Cheneso ny kaominina ambanivohitra Ankaboka, sy ny tanànan’ny Marovoay.
Maro ireo tokatrano tsy maintsy niala tamin’ny toeram-ponenany noho ny fiakarian’ny rano. Nidina ifotony nankahery sy nitondra fanampiana ho azy ireo ny delegasiona notarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA.
Notolorana fitaovana ilaina amin’ny fiainana andavanandro ireo traboina :
seau, koveta, savony, lamba firakotra, vilany, fitaovam-pianarana ho an’ny ankizy …
Ankoatr’izay dia nomena vatsy toy ny vary iray gony, menaka, voamaina ireo mponina tao an-toerana.
Dibo-drano tanteraka ireo toeram-pambolena ka nomena masomboly 20 kilao isaky ny hektara ireo tantsaha miampy fitaovam-pambolena ho fanarenana ireo voly simba.
Amin’izao fotoana izao dia efa any an-toerana ny “Caravane médicale” miaraka amin’ireo mpitsabo manao fizaham-pahasalamana maimaim-poana. Ao anatin’izany “clinique mobile” izany no ahitana karazam-pitiliana aretina amin’ny alalan’ny échographie, radiographie, sy fitilina diabeta …
Mba hanamora ny fanatanterahana ny asan’izy ireo dia notolorana moto ireo ben’ny tanàna.
Natomboka ihany koa ny fizarana sakafo mafana izay niarahan’ireo tomponandraikitra tonga tany an-toerana, ny ankizy kosa dia nozaraina koba aina.
Vilany maromaro no napetraka isaky ny kaominina hikarakarana ny sakafo ho an’ireo traboina.
Nambaran’ny Filoha Andry RAJOELINA hatrany fa ho amafisina be be kokoa ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy ka anisany nojereny manokana ireo fikambanam-behivavy izay notolorany lelavola ho fanohanana azy ireo.
Ho fanohanana ny fanerenana ny simba dia ho zaraina lelavola 120 000 Ariary isan-tokantrano ireo tra-boina izay vokatry ny fiaraha-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka.
Anisany tonga nanotrona sy nankahery ireo mponina traboina tao Marovoay ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo mpiara-miasa aminy.