FARITRA FITOVINANY: FIAHIANA IREO MPONINA TRABOINA
Mitohy hatrany ny fanampiana ireo distrika sy faritra izay nitondra takaitra tamin’ny fandalovan’ireo rivo-doza nisesy teto Madagasikara.
Androany dia tonga tao Sahasinaka, Faritra Fitovinany ireo iraky ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA izay nahitana ny Minisitry ny Ati-tany sy Fitsinjaram-pahefana TOKELY Justin sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Nitondra fankaherezana sy tolo-tanana ho an’ireo fianakaviana tena sahirana vokatry ny rivo-doza izy ireo. Anisan’ny nanotrona azy ireo ny fikambanam-behivavy « Viavy Miavotse » izay efa miparitaka manerana ireo faritra 23 eto Madagasikara.
Notoloran’ny Minisitra SOAFILIRA Princia fanomezana manokana ireo Viavy Miavotse ho fanohanana sy fanamafisanana orina ny fikambanana.