FARITRA FITOVINANY MANANA IVON-TOERANA MANDRAY AN-TANANA IREO OLONA MANANA FAHASEMBANANA SY NY ZOKIOLONA NY AO MANAKARA
27.11.2022
Nitokana foto-drafitr’asa maro tao amin’ny distrikan’i Manakara ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA sy ireo mpkimbana ao amin’ny Governemanta tarihin’i Praiminisitra NTSAY Christian.
Isan’izany ny ivon-toerana mandray an-tanana ireo olona manana fahasembanana ao an-toerana izay ahitana birao, toeram-pivoriana, toerana fitahirizana taratasy sy toeram-pilalaovana, toerana fandraisana ireo mpitsidika, toerana fitsaboana, toerana fanarenana ary toeram-pidiovana.
Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia miaraka amin’ireo olo-manan-kaja sivily sy miaramila.
Tonga maro ihany koa ireo olona manana fahasembanana izay hisitraka ireo tolotra avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina amin’ny alalan’ny fipetrahan’ity birao vaovao ity.
Mbola maro ireo fotodrafitr’asa efa vita ka handraisana an-tanana ireo vehivavy, ankizysy zokiolona ary ireo olona manana fahasembanana manerana ny Nosy.