FARITRA FITOVINANY MITOHY HATRANY NY FITSINJOVANA IREO TRABOINA
Isan’ny nisitraka ny vatsy tsinjo sy ny masomboly avy amin’ny fitondram-panjakana ihany koa ny kaominina Mavorano sy Mizilo ao amin’ny distrikan’i Manakara.
Miisa 1.025 ireo nisitraka izany ary mbola hitohy any amin’ny fokontany amin’ny distrikan’i Vohipeno, Manakara ary Ikongo izay mbola tena dibo-drano tanteraka amin’izao fotoana izao.
Ireo fanampiana ireo dia tohana hoentina hanarenana ireo voly simba sy tanimbary dibodrano vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy CHENESO tany an-toerana.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia dia manamafy mandrakariva fa miray fo tanteraka amin’ireo traboina.