FARITRA FITOVINANY NOZARAINA VATSY TSINJO SY MASOM-BOLY IREO TOKATRANO MAREFO AO MANAKARA SY VOHIPENO
Olona marefo miisa 325 tao amin’ireo fokontany ao amin’ny distrikan’i Manakara no nisitraka ny vatsy tsinjo sy tohana ara-tsakafo avy amin’ny fitondram-panjakana. Nisy ihany koa ny masomboly ary zezika entina hanarenana ireo voly simba sy ho fanampiana ireo tantsaha miisa 200 ho amin’ny fiharenany amin’izao fandalovan’ny andro ratsy izao.
Nitohy tao amin’ny kaomina ambanivohitra Vohitrindry, Distrikan’i Vohipeno ny fizarana vatsy tsinjo sy masom-boly miaraka @ zezika ary fanampiana ara-tsakafo ho an’ireo olona marefo voafantina isam-pokontany.
Nisolo tena ny fitondram-panjakana tany an-toerana nizara ireo fanampiana ireo ny Sekretera mpanatanteraka eo anivon’ny CPGU notronin’ny Fitalevam-paritry ny Mponina.