FARITRA FITOVINANY
14.11.2022
Mitohy hatrany ny fandraisana an-tanana ireo olona marefo vokatry ny haintany ao Ifanirea izay ahitana zaza amam-behivavy miisa 300 mahery, misitraka sakafo mafana ao amin’ny « centre de récupération nutritionnels » izay hiandraiketan’ny Talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina.
Torak’izany ihany koa ireo zaza amam-behivavy miisa 560 ao Sahasinaka, Distrikan’ny Manakara.
Marihina fa efa efa nahitana fivoarana ireo olona marefo ireo ary hitohy hatrany ny fandraisana an-tanana azy ireo toy ny fanamboarana « maisonnette » 50 hitoerany sy ahafahan’izy ireo mivelona amin’ny tenany indray.
Fiaraha-miasa teo amin’ireo mpitsabo tao amin’ny CSBII, ireo mpisehatra ara-tsosialy tao Ifanirea, ireo fikambanana maro sy ireo olon-tsotra izay nanampy na ara- tsakafo na ara-pitaovana na ara-pitafiana no nahafahana nanatanteraka ireo asa rehetra nanampiana ireo havana tratry ny kere ireo.