FARITRA IHOROMBE: ANISANY FOTODRAFITR’ASA NOTOKANAN’NY FILOHA ANDRY RAJOELINA NY BIRAON’NY FITALEVAM-PARITRY NY MPONINA AO IHOSY
Nitokana foto-drafitr’asa lehibe maro toy ny EPP manara-penitra, ny biraon’ny fitalevam-paritry ny mponina, ny lalana rary vato, ny toeram-panofanana ho an’ny tanora ary ny kianja manarapenitra tao amin’ny Distrikan’Ihosy ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA androany.
Ny biraon’ny fitalevam-paritry ny mponina dia ahitana birao 3, toeram-pivoriana 1, toeram-pidiovana 2, birao fitehirizana taratasy 1 ary toerana fandraisana ireo mpitsidika.
Nanome toky ny Filoha fa hanohana ireo fikambanam-behivavy izay manana tetik’asa entina hampandrosoana an’i Madagasikara.
Nanotrona azy tamin’izany ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine RAZANAMAHASOA sy ireo Solombavambahoaka sy Loholona voafidy tao an-toerana, ny Governoran’ny Faritra Ihorombe NOMENJANAHARY Tafita André Sareine ary ireo mpikambana ao anatin’ny Governemanta izay nahitana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.