Faritra IHOROMBE MAMPIHATRA AVY HATRANY NY FIOFANANA AZONY NANDRITRY NY FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY I TANIA
Vehivavy maro nanerana ny faritra 23 no nisitraka ny fampiofanana nandritry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy notanterahina teto amin’ny faritra Analamanga. Fiofanana teo amin’ ny sehatry ny fambolena, fiompiana, fandrahoana sakafo sy mofomamy ary ny fitantanana no nositrahin’izy ireo.
Anisany nisitraka ny fampiofanana mahakasika ny fambolena notanterahina teny Mahitsy i TAFITANOMENJANAHARY Joëlle Tania, tovovavy avy amin’ny Faritra Ihorombe. Tsy niandry ela izy fa avy hatrany dia nampiahatra ireo traikefa azony eny amin’ny seham-pambolena misy azy ary maniry ny hampiroborobo izany.
Tanjona ny hananan’ireo vehivahy fahaleovantena sy fizakan-tena mba tsy ho voahilikilika eo anivon’ny tokantrano ary ho vahaolana ho an’ny fandrosoana lovain-jafy.