Faritra ITASY | Distrika ARIVONIMAMO Tetikasa HARATON’AINA
Faritra ITASY | Distrika ARIVONIMAMO
Tetikasa HARATON’AINA
Tontosa soa aman-tsara ny fidinana ifotony nanaraha-maso ny fanatanterahan’ny tetikasa HARATON’AINA sy ny fandoavam-bola tany amin’ireo fokontany sy kaominina vao nisitraka ny tetikasa tao amin’ny Distrika Arivonimamo.
Tamin’izany no nampahafantarana ny antsimpirihany mahakasika ny tetikasa sy nanentanana ny rehetra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana ary indrindra ny ady amin’ny herisetra.