Faritra ITASY | Distrika Miarinarivo FANDRINDRANA FIAINAM-PIANAKAVIANA
Faritra ITASY | Distrika Miarinarivo
FANDRINDRANA FIAINAM-PIANAKAVIANA
Tontosa tao Miarinarivo ny fampiofanana ireo fikambanana izay niarahan’ny Fitalevam-paritry ny mponina tao Itasy sy ny Fikambanana MIASA mikasika ny fandrindrana ny fiterahana, ny ady amin’ny herisetra, ny fahaiza-mitantana ary ny fananganana sy fitantanana tetikasa.
Tafatsangana tamin’izany ny vovonana misy ny fikambanan’ireo Viavy miavotse, Lehilahy mandray andraikitra ary ny Fikambanan’olon -kendry.
Tonga nanatrika ity fampiofanana ity ireo manam-pahefana avy ao amin’ny Faritra Itasy.