FARITRA MATSIATRA AMBONY | AMBALAVAO
FARITRA MATSIATRA AMBONY | AMBALAVAO
Nisitraka fiofanana mahakasika ny famadihana ireo akora maitso hatao lohamenaka ireo vehivavy miisa 221 avy amin’ireo fikambanam-behivavy VOI ao amin’ny kaominina ambanivohitra Iarintsena.
Ny « Fonds Malgache pour la Formation professionnelle » (FMFP) no mamatsy vola ka anisan’ny tanjona ny fanajariana ny tanety, ny famokarana akora maintso ary ny fitantanana orinasa mba hitondra fampandrosoana lovain-jafy.
Tonga nanotrona izany ireo tompon’andraikim-panjakana maro samihafa sy ny Talem-paritr’ireo Minisitera izay mpiara-miasa amin’ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy ao an-toerana.