Tonga nitafa sy nidinika tamin’ireo fikambanam-behivavy tao amin’ny distrikan’Ambalavao ny Fitaleavam-paritry ny mponina sy ny filohan’ny fikambanana Viavy Miavotse ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.
Tamin’izany no nampahafantarana ny fijoroan’ny vovonana Viavy miavotse sy ny andraikitra izay ho tanterahin’izy ireo eny anivon’ny fiaraha-monina .
Nidinika ihany koa ny amin’ny fanomanana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy izay hankalazaina ny 8 Martsa ho avy izao.