Faritra MATSIATRA AMBONY| Distrika Fianarantsoa
Andro maneran-tany ho an’ny Mponina
« Ny Firaisankina sy ny fampiantiana ara-tsosialin’ny Mponina Malagasy »
Maro ireo hetsika notanterahina ho fanamarihana ny andro Maneran-tany hoan’ny Mponina nanerana ny faritra 23 teto Madagasikara.
Ho an’ny faritra Matsiatra ambony dia nomarihana tamin’ny alalan’ny fampilalaovana ireo Kilonga, fiarahana nisakafo, fizaham-pahasalamana niarahana tamin’ny FISA sy ny AMM( Association Mission Médicale), fitiliana ny tsy fanjarian-tsakafo niarahana tamin’ny AMM ka noraisina an- tanana avokoa ireo voatily.arahana nisakafo
Ny fanatanterahana ireo hetsika ireo dia fiaraha-miasan’ny Fitaleavam-paritry ny mponina sy ireo manam-pahefana ary ireo olom-boafidy any an-toerana miaraka amin’ireo VLMP (Vondron’ny Mponina Liam-pandrosoana), ireo ONG sy Akany ary fikambanana misehatra amin’ny lafiny sosialy any an-toerana.