FARITRA MATSIATRA AMBONY | FOARA MAMPIRAY
Ho fanamarihana ny fivoahan’ireo tokatrano miisa 13 450 marefo ara-pivelomana, teo aloha, ao amin’ny distrika Ambohimahasoa sy Isandra izay nisitraka ny tetikasa HARATON’AINA dia nikarakara ny Foara Mampiray, ao amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Minisiteran’ny Mponina sy ny FID. Tamin’ny alalan’ny Vatsin’Ankohonana sy ny Asa Avotra Mirindra no nanohanan’ny Fitondram-panjakana azy ireo nandritry ny 05 taona.
Tafavoaka amin’ny faharefona lalina izy ireo ankehitriny ka ikopa-kelatra satria efa mahaleo tena amin’ny fanabeazana ny zanany sy ny famokarana betsaka sy manaraka fenitra.
Notolorana mari-pankasitrahana sy fitaovana enti-mamokatra ary masom-boly ihany koa izy ireo.
Nitarika ny fotoana sy nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia.
Ny HARATON’AINA dia tetikasan’ny Fitondrampanjakana, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, tanterahin’ny FID eny ifotony ary vatsin’ny Banky iraisam-pirenena ara-bola.