FARITRA MELAKY | DISTRIKA AMBATOMAINTY NITONDRA TOHANA ARA-PIVELOMANA HO AN’NY MPONINA NY FITONDRAM-PANJAKANA
FARITRA MELAKY | DISTRIKA AMBATOMAINTY
NITONDRA TOHANA ARA-PIVELOMANA HO AN’NY MPONINA NY FITONDRAM-PANJAKANA
Tokantrano miisa 1000 marefo ara-pivelomana ao amin’ny distrikan’Ambatomainty, faritra Melaky no nisitraka ny VATSY TSINJO avy amin’ny Fitondram-panjakana nandritry ny fitsidihana izay notanterahin’ny Praiministra lehiben’ny governemanta NTSAY Christian niaraka tamin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana TOKELY Justin.
Nambaran’Andriamatoa Priministra nandritry ny lahateniny fa modely ny mponin’Ambatomainty satria nahavita nifehy sy nanaja ny dinan’i Melaky. Raha ny fandriam-pahalemana no resahina dia milamina ity Faritra ity, indrindra ny distrikan’Ambatomainty.
Nohamafisiny tamin’izany ihany koa ny tokony handraisan’ny rehetra andraikitra amin’ny fisorohana sy fiadiana amin’ny doro tanety sy ny doro ala.
Isan’ny hisitraka ny hetsika fisitrahana ny sora-pahaterahana sy ny karapanondro izay tanterahina manerana ny Nosy ihany koa ny distrika Ambatomainty mba hisitrahan’ireo izay tsy mbola manana izany ny zo fototra maha-olom-pirenena.
Nankasitraka ny Filoha sy ireo iraka tonga tao an-toerana ny mponina ka naneho ny hafaliana.
Ho fanamafisana sy fanohanana dia nisy ihany koa ny fanomezana lelavola ho an’ny fikambana AMPELA MIAVOTSE izay mampivondrona mpikambana maro manerana ny Nosy ka tsy diso anjara amin’izany ny Faritra MELAKY. Nisy ihany koa ny tohana ara-bola ho any fikambanana LEHILAHY MANDRAY ANDRAIKITRA izay miara-miasa akaiky amin’ireo vehivavy.
Tonga nanotrona ny fotoana ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana niaraka tamin’ireo tomponandraikitra sivily sy miaramila.