Faritra Melaky | Distrika Maintirano FANAMPIANA IREO ZOKIOLONA
Tsy diso anjara fa isan’ny nisitraka tohana ara-tsakafo hoentina hanampiana azy ireo amin’izao andro fety izao ireo zokiolona miisa 350 ao amin’ny distrikan’i Maintirano.
Nikarakara ny fahatanterahan’ity fizarana ity tany an-toerana ny mpanolotsaina sy ny Fitaleavam-paritry ny mponina any amin’ny faritr’i Melaky.
Araky ny nampanantenaina nandritr’ireo lahateny nifandimbiasana moa dia mbola hitohy amin’ny taona hoavy ity hetsika ity.