FARITRA MELAKY FANAMPIANA IREO TRABOINA VOKATRY NY FANDALOVAN’NY ANDRO RATSY CHENESO TAO MAINTIRANO
Nandritry ny fandalovan’ny andro ratsy Cheneso dia maro ireo traboina vokatry ny fiakaran’ny rano tao Maintirano.
Nisy noho izany ny fidinana ifotony notanterahin’ny Talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina niaraka tamin’ireo Ampela Miavotsy ka nijerena ireo traboina, nitondrana fanampiana sy tohana ara- tsakafo ho azy ireo.
Isan’ny nisitraka izany ireo voafonja sy ireo fokontany tena voa mafy tao Maintirano.