FARITRA MENABE | ASA AVOTRA MIRINDRA AO MENABE
Nitarina ny tetikasa haraton’aina ary efa mahasahana faritra 15 amin’izao fotoana izao. Tao amin’ny kaominina Bemanonga no nanombohana izany tamin’ny alalan’ny Tsatok’angady no sady nanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny Iray volan’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara. Miisa 8 000 ireo tokantrano misitraka ny fiahiana ara-tsosialy amin’ny alalan’ny Asa Avotra Mirindra ao amin’ny faritra Menabe ao amin’ny Distrikan’i Mahabo sy Morondava.
Nanome voninahitra izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia sy ireo tompon’andraikitra sivily sy miaramila.