Faritra Menabe | Distrika Morondava Fikarakarana Kopia faobe
Fikarakarana Kopia faobe
Olona miisa 1.000 mahery no nisitraka ny karapanondro sy kopia faobe tao amin’ny distrika Bemanonga, distrika Morondava.
Isan’ny nojerena manokana tamin’ity hetsika ity ireo zokiolona sy olona manana fahasembanana ary ireo vehivavy mitondra vohoka sy mitaiza kely.
Fiaraha- miasa teo amin’ny Fitaleavam-paritry ny mponina sy ny Prefektiora, ny TPI, DRS sy ny CENI ary ny kaominina tao Morondava no nahafahana nanatanteraka ity hetsika ity.