FARITRA MENABE MANDRAY AN-TANANA AN’IREO TRA-BOINA IREO TOMPONANDRAIKITRA AO MORONDAVA
26.01.2023
Manoloana ny fiakaran’ny rano vokatry ny rivodoza Cheneso dia tafakatra 2 000 mahery ireo traboina ao Morondava. Efa mandray an-tanana azy ireo ny tomponandraikitra any an-toerana ka napetraka amin’ireo toerana fandraisana vonjy maika toy ny Lycée Pole sy ny EPP Avaradoha ary ny Abris communautaire.
Misolo tena ny Minisitry ny Mponina any an-toerana ny Talem-paritry ny Mponina ary mikarakara sakafo mafana ho an’ireo tra-boina.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia dia manamafy mandrakariva fa miray fo tanteraka amin’ireo traboina amin’izao fotoan-tsarotra izao.