FARITRA SAVA MITOHY NY FIJERENA IFOTONY IREO TRABOINA
Tao Andapa indray no nijery ireo mponina traboina ireo tomponandraikitra avy ao an-toerana. Nifanolo-tanana tamin’izany ny VPAN Jocelyne Maxime, ny Préfet an’i Sambava sy ny Talem-patitry ny Fambolena sy ny Fiompoana ary ny Talem-paritry ny Mponina ao SAVA.
Anisan’ny toerana mamokatra sakamalao betsaka ny distrikan’Andapa nefa simba noho ny ranobe. Manoloana izany dia nanolotra masomboly milanja 70 taonina ho an’ireo tantsaha ny Fitondram-panjakana mba hanarenana ny voly simba. Nisy ihany koa ny lay misy ody moka sy bodofotsy ho an’ireo tena mila izany.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia dia manamafy mandrakariva fa miray fo tanteraka amin’ireo traboina amin’izao fotoan-tsarotra izao