FARITRA SOFIA | ANTSOHIHY
FARITRA SOFIA | ANTSOHIHY
Nanaja sy nanaraka ny fomba amam-panao ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia nandritry ny fitetezany ireo Distrika ao amin’ny Faritra SOFIA.
Nitondra fanampiana ho an’ny mponina ao Antsohihy izy ka nisitraka izany ny vehivavy, ny zokiolona, ny tanora fa indrindra ireo olona manana fahasembanana.
Nahazo fanampiana ihany koa ireo olona tra-boina vokatry ny hai-trano nitranga tao amin’ny Fokontany Antsira, Kaominina Ambodimandresy. Ny fiaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Rano ary ny UNICEF no nahafahana nanatanteraka izany.
Hanao fifaninanana tetik’asa « Viavy miavotse » ihany koa ny Minisitera ho an’ireo fikambanam-behivavy ao an-toerana.
Nanamarika ny fitsidihana ny fizarana samboady ho an’ireo Ben’ny tanàna rehetra ao amin’ny Distrika.