Faritra Sofia | Distrika Mandritsara
30.09.2022
Amin’izao fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zokiolona izao dia nanao atrik’asa tao Mandritsara izay ivon’ny fankalazana nasionaly ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara- tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.
Nandritra izany dia nisy ny fifampizarana fahaiza-manao nataon’ireo zokiolona ho an’ireo tanora tao an-toerana.Nisy noho izany ny fifaninanana nataon’izy ireo mahakasika ny lohahevitra momban’ny fanambadiagn’ny maty, ny fagnatonjà, ny halatr’asa, ny hangalana ombinjiva ary ny fahagna antilahy izay fomba amam-panao avy ao amin’ny faritra Sofia.
Nitarika ny hetsika tamin’izany ny Tale Jeneralin’ny Mponina RAKOTONDRAINIBE Andry izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ny Solombavambahoaka voafidy tao Mandritsara, RASOLOMANANA Beby Olivier.