FARITRA SOFIA | FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA
FARITRA SOFIA | FANKALAZANA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY FARITRA
Ny Faritra Sofia no nandray ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny Faritra tamin’ity andiany fahatelo ity.
Ny Faritra no fototry ny fampandrosoana ara-toe-karena sy ara-tsosialy.
Nitarika ny lanonana ny Praiminisitra NTSAY Christian sy ireo delegasiona niaraka taminy izay nahitana ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Tontolo iainana, ny Minisitry ny Fahasalamana, ny Minisitry ny Rano ary ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia izay Minisitra Mpiahy ny Faritra SOFIA. Nanotrona azy ireo ny Governoran’ny Faritra Sofia Lylison René de Roland niaraka tamin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.
TSY MISY NA OLONA NA FARITRA HO ADINO INTSONY.