FARITRA BOENY | Nanotrona ny ASIEF andiany faha-3 tao Mahajanga ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia
FARITRA BOENY | Nanotrona ny ASIEF andiany faha-3 tao Mahajanga ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia
Natao tao Mahajanga ny fifaninanana lalao fanatanjahan-tena andiany faha-3 izay hifanandrinan’ireo mpiasam-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Tanjona ny hananan’izy ireo firaisan-kina fa indrindra ny fahasalamana no sady handraisany anjara amin’ny fanatanterahana ny velirano faha 13 : ny fanatanjahan-tena hatao hitondra avo ny hambompom-pirenena.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ity hetsika ity ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian sy ireo delegasiona niaraka taminy, notronin’ireo manam-pahefana maro eto an-toerana sivily sy miaramila.
Nanotrona ao an-toerana ihany koa ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia miaraka amin’ireo mpiasan’ny Minisiteran’ny Mponina.