FARITRA SOFIA | HAITRANO TAO MAROMANDIA, DISTRIKA ANALALAVA TONGA NAMPAHERY NY MPONINA TRA-BOINA NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
20.10.2022
Miisa 107 ireo fianakaviana tsy manan-kialofana vokatry ny haitrano tao amin’ny kaominina Maromandia.
Manoloana izany dia nanolotra fanampiana ho azy ireo ny fitondram-panjakana izay tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian.
Ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana TOKELY Justin sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia no nanatanteraka ny fizarana izany tao an-toeranao. Nandritra izany dia nanolotra lelavola roa tapitrisa Ariary ny Minisitra SOAFILIRA Princia ho fisaorana ny mponina amin’ny fandraisana an-tanana ny famonoana afo ka natolotra ho an’ny fikambanam-behivavy sy ny lelahy.
Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany ny Mpanjaka, ny Solombavambahoaka voafidy tao Port Bergé sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.