FARITRA SOFIA NANOTRONA NY MPONINA AO MAMPIKONY NY MINISITRA SOAFILIRA PRINCIA
Manodidina ny 4000 ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny andro ratsy chineso tao Mampikony.
Nidina ifotony nijery ny zava-misy tao an-toerana, nisolo tena ny fitondram-panjakana, ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ary nitondra fanampiana toy ny vary, voamaina, seau, lovia, sotro, lamba firakotra ary fonosana PPN ho an’ireo mponina traboina tao amin’ny EPP Ambalavy sy Ambohimahavelona ary Antsatramanera.
Notolorany lelavola ihany koa ireo fikambanam-behivavy sy ireo sojabe ao an-toerana.
Tonga nanotrona azy tamin’izany ny Solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’i Mampikony sy Port Bergé, ny Governoran’ny Faritra Sofia ary ireo manam-pahefana maro sivily sy miaramila.
Nanamafy ny Minisitry ny Mponina fa efa misy ny politikam-pandrosoana entin’ny Minisiteran’ny Mponina amin’ny alalan’ny vondrom-pikambanana Viavy miavotse, Lehilahy mandray andraikitra sy ny fikambanan’olon-kendry ary ny TAFA(Tanora Andrin’ny Firenena) ka nanentana ireo vahoaka izy mba hiditra ao anatin’ireo vondrom-pikambanana ireo.