FARITRA SOFIA TONGA ANY MAMPIKONY IREO TOHANA ARA-TSAKAFO
26.01.2023
Efa tonga ao Mampikony ireo tohana ara-pitaovana sy ara-tsakafo izay ny Talem-paritry ny Mponina no miandraikitra izany.
Noho ny fiakaran’ny rano dia napetraka amin’ny toerana fandraisana vonjy maika ireo traboina.
Ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia dia manamafy mandrakariva fa miray fo tanteraka amin’ireo traboina amin’izao fotoan-tsarotra izao.