FARITRA SOFIA VATSY TSINJO HO AN’NY MPONINA AO BEFANDRIANA AVARATRA
19.08.2022
FARITRA SOFIA
VATSY TSINJO HO AN’NY MPONINA AO BEFANDRIANA AVARATRA
Nizara vatsy tsinjo ho an’ireo fianakaviana 200 tena marefo ara-pivelomana eny anivon’ny Fokontany tao amin’ny Distrikan’i Befandriana Avaratra, Faritra Sofia ny fitondram-panjakana.
Nomena béquilles miisa 10 ireo olona manana fahasembanana sy lamba firakotra ho an’ireo zokiolona miisa 200 tonga tao.
Nahazo fanampiana sy tohana ara-bola avy amin’ny Praiminisitra NTSAY Christian ihany koa ireo olona manana fahasembanana sy ny fikambanam-behivavy ka anisan’izany ny Viavy Miavotse.
Nitarika ny delegasiona ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta NTSAY Christian izay notronin’ireo mpikambana ao amin’ny Governemanta. Tonga tany an-toerana ny Minisitry ny Atitany sy Fitsinjaram-pahefana TOKELY Justin sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia izay mpiahy ny Faritra SOFIA ary ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ao an-toerana.