FARITRA VAKINANKARATRA | Ambatolampy
FARITRA VAKINANKARATRA | Ambatolampy
Miara-miasa hahatratra ny fanatanterahana ireo Velirano faha-7, fampiroboroboana ny Indostria, sy ny velirano faha-11, Madagasikara ho lasa maoderina, ny fanjakana sy ny tsy miankina.
Notokanan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao Ambatolampy ny lalana, ny asa fanitarana ny orinasa Star sy ireo fitaovana lehibe. Nanotrona azy tamin’izany ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Rakotondrazafy Lalatiana ANDRIATONGARIVO, notronin’ny Tale Jeneralin’ny Orinasa STAR sy ireo olona manam-pahefana sivily sy miaramila eo an-toerana.